Actualités

Mpitam-bolam-panjakana Terena hanao “signature en blanc”


  • Zoma 22 Jolay 2011


 Tranga hafahafa ity niseho tany Amboasary Atsimo ity. Nesorin’ny tomponandraikitra iray tany an-toerana tsy ho mpikirakira volan’ity sampandraharaham-panjakana ity intsony ilay olona nisahana izany teo aloha. Voalaza fa terena hanao sonia taratasim-bola sy seky tsy mazava ny tenany. Ny fandavana izany no nahatonga azy ho nesorina tamin’ny toerana. Fihetsika somary hafahafa satria mbola mitory fanaparam-pahefana, hoy ilay niharan’ny tsindrihazolena. Amin’izao dia olona hafa no misahana izany.

Fa volana maromaro lasa izay, nisehoana hain-trano ny tao amin’io sampandraharaham-panjakana io. May kila forehitra ny toerana fanatobiana entana tamin’izay fotoana izay. Voalaza fa herinaratra nifampikasoka no nahatonga ny loza. Toa tsy mampino sy tsy mandresy lahatra anefa izany, hoy ireo mpiasa tao. Miahiahy izy ireo sao fomba nentina nanafenan-javatra maloto tao no antony. Hatramin’izao rahateo tsy nisy tohiny ny raharaha. Manaitra ny tompon’andraikitra ireo mponina any an-toerana mba hijery sy hanara-maso akaiky ny tranga toy itony hahafantarana ny tena marina.

 

Natiora OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT