Lehilahy iray 36 taona mpisoloky rain-dahiny amin'ny resaka volamena sandoka eto an-drenivohitra no sarona soa aman-tsara 31 jolay lasa teo.
Raha tsiahivina ny tantara dia nisy olona tonga nametraka fitoriana tao amin’ny kaomisarian’ny polisy ao Mahamasina fa voasoloky tamin’ny resaka volamena sandoka. Nanokatra fanadihadiana sy nikaroka ity mpisoloky ity avy hatrany ny polisy taorian’izany. Fantatra tamin'ny famotorana natao tamin’ilay mpisoloky fa olona avy any Tolagnaro no naniraka azy hitondra ireo volamena sandoka ireo hamidy eto an-drenivohitra. Tsy vao izao izy ireo no nanao izany asa ratsy izany fa efa am-bolana maromaro ary efa betsaka ireo olona efa voafitaka tamin'izany raha araka ny fantatra hatrany. Rehefa nosavaina ity lehilahy ity dia mbola nahitana ireo vovo-bolamena hosoka saika mbola hamitahany olon-kafa indray. Niaiky ny heloka nataony ny lehilahy ary natolotra ny Fitsarana omaly ka naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.