Ireto laharana Telma ireto dia mpisoloky, hoy ny mpikirakira tambazotran-tserasera sady mpanao gazety iray omaly, namaky bantsilana ny laharan’ireo mpisoloky amin’ny finday niantso azy.
Milaza fa mpiasan'ny Banky SGM (BFV SG) na Telma izy ireo ary mahafantatra tsara ny momba anao, hoy izy. Miantso izy ireo fa Raha manana kaonty MVola 100.000 ariary noho miakatra dia tafiditra mahazo bonus 50% ianao. Niantso ny “service client Telma” aho ary nilaza ny tao fa tsy misy izany ary fisolokiana ka alain-dry zareo hatramin'ny “mot de passé”-nao an-kolaka. Ireto avy ireo laharana sy ny voalazany fa anarany ary ampitaiko mivantana amin'ny InfoCom Seg sy ny Polisim-pirenena eto ary indrindra ny Telma: 0349405893 Mr Odon Nicolas Franck, niantso ahy ny 6 mey 2022 tamin'ny 9 ora sy 14 minitra, nilaza fa mpiasan'ny BFV SG. 0347823596 Mr Tina Jacky, niantso ahy tamin'ny 20 novambra 2021, nilaza fa mpiasan'ny botika iray an'ny Telma eny amin'ny La City Ivandry. Nanana nomerao iray hafa 0348856504 izay lazaina fa mpiara-miasa aminy ity farany. Mihetsika ianareo ry Telma sy zandary ary polisy. Inoako fa tsy vao izaho no nisy nanandrana toy izao. Mailo isika mailo isika. Marihiko fa ananako porofo ireo endrika fisolokiana ireo. Iza no tena tompon'ireo laharana ireo ry Telma ary ahoana no ahafantarany ny momba anay mpanjifa, hoy hatrany izy, lasa saina manoloana ny fahafenoana laharana azo isolokiana tahaka izao ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.