Actualités

Mpisehatra momba ny sakafo Malagasy Mafimafy ny niainana ny hamehana


  • Alakamisy 29 Jolay 2021

Nisokatra omaly ary hifarana ny sabotsy 31 jolay izao etsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina, ny hetsika varotra fampiratiana ahitana ireo vokatra Malagasy miompana amin’ny resaka sakafo na ilay hoe

 “Kaly Malagasy maha salama”. Araka ny fanazavan’i Miantsa Stephanie Ratrimoson, isan’ireo mpikarakara ny hetsika, dia ny fahaiza-manaon’ireo Malagasy mpisehatra rehetra eo amin’ny lafiny sakafo no hiseho eny an-toerana, izany hoe, manomboka amin’ny mpamboly hatrany amin’ny mpamokatra sy mpanodina vokatra ary tafiditra ao anatiny koa ny tontolon’izay resaka sakafo izay rehetra, toy ny fanaingoana latabatra sy ny resaka fitaovam-pihinanana. Miisa 40 eo ireo mpandray anjara ary iandrasana mpitsidika hatrany amin’ny 3000 isa isan’andro. Mpampiranty voafantina manaraka ny kalitao sy fenitra ara-tsakafo izy ireo, indrindra moa, fa anaty ahamehana ara-pahasalamana isika izao. Mafimafy ny niainana ity ahamehana ity, indrindra, tao anatin’ireny fihibohana ireny satria tsy nisy fotoana nahafahan’ireo mpantsehatra nihetsika mihitsy. Ny mpanjifa koa tsy afaka nanjifa vokatra araka ny tokony ho izy. Amin’izao fotoana izao izahay no manomboka mitady fomba sy sehatra ahafahanay mampiseho ny vokatray sy manatona ireo mpanjifa indray, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT