Actualités

MPISANDOKA HO MPIASAN’NY JIRAMA Sady tsy nitondra “badge” no niditra an-keriny


  • Alakamisy 05 Mey 2022

Mirongatra ny trangana tsy fandriampahalemana eto amintsika. Ankoatra ny hala-botry sy ny fanendahana dia misy mihitsy ireo sahy miditra an-trano an-keriny toy ity lehilahy iray izay nisandoka ho mpiasan’ny JIRAMA.

Raha araka ny fantatra dia tsy mitondra badge izy ka rehefa notakiana dia tena avo vava. Toran-kovitra avy hatrany ireo olona nivanihanan’ity lehilahy nisandoka ity araka izany ka nandroaka azy mba hivoaka ny trano no sady naka sary avy hatrany. Vao notenenina moa izy hoe mpangalatra dia vaky nandositra sady mody niteny hoe : azafady raha nahatezitra anareo hoy hatrany ny vaovao azo. Teo ivelan’ny trano moa ny compteur-n’ireto olona saika lasibatra ireto saingy tsy niraharaha ilay nisandoka ho mpiasan’ny JIRAMA fa avy hatrany dia niditra, tranga niseho teto an-drenivohitra omaly. Tsiahivina fa tokony manana badge ary nahazo taratasy avy any amin’ny lehibeny izy ireny vao afaka miditra an-tranon’olona tahaka izany.
Nangonin’i Pati Legende : Ity ilay lehilahy !
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT