Actualités

Mpiraki-draharahan’ny fitsarana Tsy hijanona ny fitokonana raha tsy mivaly ny fangatahana


  • Zoma 07 Oktobra 2022

Efa ho 10 taona angarangidina izao no tsy nivaly ny fangatahan’ireo mpiraki-draharahan’ny fitsarana mivondrona ao anatin’ny sendika, tarihin’Andriamaro Alain Michel.

Niroso tamin’ny fitokonana faobe izy ireo araka izany nanomboka omaly ary tsy hijanona intsony raha tsy mivaly ny fitakiany. Raha iray izany teo aloha raha araka ny fanazavan’ny filohan’ity sendika ity dia tafakatra 4 amin’izao. Lohalaharana amin’ireny ilay antsoina hoe : versement. Tokony hatao araka ny diplaoma hananan’ireo mpiraki-draharaha isanisany ny karama raisiny. Manomboka amin’ny bakalorea izany ka hatramin’ny bakalorea miampy 4. Betsaka ireo mpiraki-draharaha miezaka mampitombo ny diplaoma araka izany saingy toa jeren’ny fanjakana fotsiny. Faharoa ny tokony hananan’ny mpiraki-draharaha ilay antsoina hoe : « ordre de poursuite » izay efa hananan’ireo mpisehatra amin’ny lalana sy fandriampahalemana eto amintsika. Ny mpiraki-draharaha irery ihany hatreto no tsy mba manam-piaro hoy hatrany ny fanazavana azo raha misy mpiaro avokoa ny mpisolovava, ny polisy…rehefa misy tsy mety hataony. Ny fahatelo moa dia ny fangatahan’izy ireo ny mba hanoloana tsy misy hatak’andro ny tale misahana ny maha-olona eo anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana noho izy tsy mahay mitsinjo ny mpiara-belona raha fitakiana ny fanatsarana ny raharaha anatiny kosa ilay fitakiana fahaefatra. Tsy misy raharaham-pitsarana mandeha mihitsy etsy amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy vokatr’izany. Manohana ity hetsika ity 100% ireo mpiraki-draharaha eto Antananarivo raha toraka izany ihany koa ny any amin’ny faritra izay saika nanakatom-barabarava avokoa omaly. Tsy hijanona ny hetsika raha tsy mivaly ny fitakiana rehetra.
Pati
Legende : Andriamaro Alain Michel, filohan’ny sendikan’ny mpiraki-draharaha
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT