Nivoitra tamin’ny fivoriamben’ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana omaly teny Anosy fa hiverina hiasa izy ireo manomboka amin’ny alatsinainy 6 jona ho avy izao,
miasa tanteraka 100% izahay fa efa nanome toky ny mpitondra fanjakana fa hovahana ny fitakianay, hoy izy ireo, araka ny fanambarana nataon-dRabenandrasana Nicolas filohan’ny sendika teo aloha. Voafidy omaly koa mantsy ny birao vaovao hitantana ny sendikan’ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana eto Madagasikara ato anatin’ny roa taona manaraka ka Atoa Randriambololona Haja no filoha vaovao. Hiverina amin’ny laoniny amin’izay izany ny asa manerana ny fitsarana rehetra eto Madagasikara. Manome roa volana ny fitondram-panjakana anefa hanatanterahana ny fitakiana rehetra ireto mpiraki-draharaha ireto, dify io fe-potoana io ka raha misy ny tsy tanteraka amin’ireo fitakiana lehibe 4 dia mety hiverina indray ny fitokonana, araka ny fanazavana azo teny Anosy omaly.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.