Actualités

Mpikamban’ny SYPAMM APMF “Atsaharo ny fampiasana ny anaran’ny sendika…”


  • Talata 20 Septambra 2022

Nivoaka amin’ny fahanginany, ka mitaky ny tsy fanaovana fitaovana politika sy fitadiavan-tseza ny SYPAMM (Syndicat de d'Administration Maritime de Madagascar)

ny mpikambana maneho fa maro an’isa, ary mitaky fanovana ny birao faran’izay haingana eo anatrehan’ny savorovoro misy ao anatiny. Efa dila ny fe-potoana niasan'ny birao teo aloha satria tamin'ny 19 Septambra 2019 ka hatramin'ny 19 Septambra 2021, ary manginy fotsiny ny tsy fioroan'ilay birao ara-dalàna satria tsy misy taratasy na dia iray aza maha ara-dalàna azy, tsy manana “certificat de conformité, hoy ny fanambarana. Naboridan’izy ireo ihany koa ny voalaza fa tsy fanarahan-dalàna ataon’ilay filoha, toy ny fanalana ny olona tsy ho mpikamban’ny birao isaky ny mihetsika rehefa tsy mitovy hevitra aminy ka hitany fa mety hanelingelina azy amin’izay tiany hatao. Noho izany, nilaza ireo mitonona ho mpikambana maro an’isa fa tsy tokony hisy intsony ny fanapahan-kevitra na fanambarana amin'ny anaran'ny sendika mandra-pifidy izay mety ho filoha sy ny fjoroan'ny birao vaova, fa ny fampandehan-draharaha ankapobeny fotsiny no hany sisa asan'ny birao teo aloha atao ankoatry ny fikarakarana farany izay haingana ny fifidianana ny birao vaovao satria efa tara iray taona be izao izany raha ny sata mifehy ny SYPAMM no jerena, hoy izy ireo. Nomarihina fa efa nisy fehin-kevitra notapahan’ny besinimaro (direction centrale, direction régionale, Représentations) nanaiky ka narahina fifanaovan-tsonia, anisany nandray anjara tamin'izany ny filohan'ny Sendika tamin'ny birao teo aloha izay efa tapitra fotoam-piasana efa heritaona ny 19 septambra 2022, ho famahana ny olana sy famaliana ny ftakiana izay nataon'ny Sendika. Nomarihina fa raha mbola misy ny fampiasana ny anaran'ny Sendika SYPAMM APMF ho amin'ny tombotsoan'olon-tokana toy ny fiadiana seza, dia miala tsiny izahay fa tsy maintsy hiroso amin’ny dingana ambonimbony kokoa, hoy ny fanambarana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT