Andrasana amin’ity faran’ny herinandro ity ny didy na fehin-kevitra voalohany havoakan’ny CES vaovao taorian’ny nandraisany ka nandinihany ireo fangatahana sy fitoriana nataon’ny kandida filoham-pirenena sy vondrona mpanao sonia ny tondrozotra ary lehiben’ny andrimpanjakana sasany mba hanilihana kandida hafa.
Raha ny fanambaran’Atoa Rakotozafy François filohan’ny CES tamin’izy voafidy dia ny fampiharana ny lalàna, ary izay ihany no mibaiko azy ireo. Tsy misy intsony ny firehana politika ho an’ireo mpikambana ao anatin’ny CES hoy izy fa dia fandinihana araka ny lalàna ny antontan-taratasin’ireo kandida no atao ao. Tsy misy tena mahafantatra ny fomba fiasa ao anatin’ity CES vaovao ity aloha, fa ny hany maharesy lahatra ny ankamaroan’ny olona dia mafy ny tsindry politika avy eto an-toerana sy avy any ivelany, mahazo ny CES na dia tsy miteny izany mivantana aza ny mpikambana ao anatiny.
Omaly aza dia nandeha be ny feo fa misy mandraviravy vola be an’ireo mpitsara momba ny fifidianana ireo mba handray fanapahan-kevitra izato sy izaroa. Ho zava-doza anefa raha sanatria ka misy halaim-panahy amin’izany ka tsy hahatanty ny mena miraviravy tokoa ireo mpitsara. Izay eo ihany fa mbola mitoetra foana ny adihevitra hoe : hijanona ho 41 ve ny isan’ny kandida sa hihena, ary raha mihena ny isa dia iza avy no ho voahilika ? Nahazo fiantsoana avy amin’ny CES mba hanatitra taratasy fanampiny teny Ambohidahy, omaly maraina ireo kandida. Hatreto dia mangina tsy andrenesam-peo ny filoha Marc Ravalomanana, hita ho milamin-tsaina ihany koa Rtoa vadiny izay kandidan’ny ankolafy Ravalomanana.
Any Toamasina miatrika ny fankalazana ny faha-45 taonan’ny FJKM izy hatry ny omaly. Na izany aza dia nanao rodobe teny amin’ny CES Ambohidahy omaly maraina ny ankolafy Ravalomanana notarihin’i Mamy Rakotoarivelo nanatitra antontan-taratasy fanaporofoana fa mahafeno fepetra ity kandidan’ny ankolafy Ravalomanana ity sy miarakitra ny fiarovana ny filatsahan-kofidian’ny kandida Lalao Ravalomanana teraka Rakotonirainy manoloana ny fitoriana nataon’Atoa isany Lahiniriko Jean, Pierrot Rajaonarivelo, Alain Tehindrazanarivelo, Camille Vital, Voninahitsy Jean Eugène ary ny Komity mpanaramaso ny fampiharana ny tondrozotra na ny CSC no nangataka ny fanilihana ity kandidan’ny ankolafy Ravalomanana ity.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.