Nesorin’ny tompontrano tamin’ny trano fonenany efa ho volana maromaro izay ity mpikambana iray ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, avy amin’iny Faritra Anôsy, ity noho izy tsy nahaloa ny hofan-trano 7 volana.
Mitentina any amin’ny valo hetsy sy roa tapitrisa ariary na 14 tapitrisa iraimbilanja any. Hatramin’izao ity renim-pianakaviana tompontrano ity dia mbola miandry ny handoavany io vola io. Niainga tamin’ny fanazavan’ity Ramatoa ity, ary nanatona ilay mpikambana amin’ny Kongresy io ny teto amin’ny Tia Tanindrazana. Nambarany fa lainga avokoa ny nambarany fa ny zava-misy dia filam-boatsiary no nataony anay mianakavy fony izahay nanofa trano tao aminy. Nisy mihitsy aza nanomezany anay fe-potoana fito andro tsy maintsy hialanay ny toerana sy hitondrana ny entanay amin’ny mpandraharaha ara-toekarena.
Tao anatin’izany, hoy hatrany ity olom-boatendry ity, nisy ny fotoana nanagiazan’ilay tompontrano ny entany tsy hahazo mivoaka raha tsy voaloa, hono, ny vola. Tsy nitsipaka ny handoa ilay vola ny tenako, hoy izy fa nangataka fotsiny hoe izaho tsy mbola manana amin’izao fotoana itakianareo io vola io amin’izao. Miandry ny any amin’ny mpiara-miasa amiko izay ananako vola aho. Tsy mila an’izany aho (vola an-tapitrisany io), hoy ilay zanaky ny tompontrano, araka ny nambaran’ity mpikamban’ny Kongresy ity, fa izy miala no fantatray. Mahakasika ny vola dia nisy hoy izy ny taratasy fifanarahana fa tsy mila izany vola izany intsony ireto fianakaviana ireto. Dia mbola tantara mitohy hatramin’izao. Samy mitonona hanana ny marina ny andaniny fianakaviana mpampanofa trano sy ny ankilany ilay mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, izay lohandohany amin’ny antokon’ny mpitondra any an-toerana.
Natiora OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.