Actualités

Mpihaza mandripaka ireo gidro Maki Tratra niaraka tamin’ireo henany sy basy


  • Zoma 12 Aogositra 2022

Rangahy lehibe iray 65taona no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny CSP Vohemar afak’omaly 10 aogositra tao amin’ny fokontany Ankijabe rehefa nihaza sy namono varika,

izay marihina fa anisan’ny biby arovana eto amintsika. Teo am-panatanterahana ny asany ny Polisy miasa ao amin’ny CSP Vohemar no nifanojo tamina rangahy iray nitondra gony. Somary hafahafa fihetsika ary kaodikaody aok’izany ity farany ka nanaitra azy ireo. Avy hatrany dia nosakanana ity rangahy iray ity ary nosavaina ny gony nentiny ka fatina « Maki » miisa 06 no tratra tao anatin’ilay gony niampy basy lava calibre 12 iray. Voarara ny fihazana ity biby ity kanefa izao mbola hanaovany fanahy iniana izao ny mihaza sy mamono azy. Avy hatrany dia nosamborina ity rangahy ity ary nentina tany amin’ny birao nanaovana fanadihadiana. Monina ao Sambava ity rangahy ity ary fantany tokoa fa voarara ny fihazana ireny ragidro ireny,antony nanafenany azy tao anaty gony.
Pati
Legende : Ilay Rangahy sy ireo ragidro efa voatono tratra tany aminy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT