Actualités

Mpifoka rongony aseho fahitalavitra Mampiana-dratsy ny tanora


  • Sabotsy 03 Aogositra 2013


Fahitalavitra iray no nanao fanadihadiana manokana ireo tanora mifoka rongony eny amoron’ny farihin’i Masay tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Anisan’ny nanohina ny ray aman-dreny sendra nahita io fanadihadiana io ny fampisehoana ny fomba fanaon’ireto tanora mpifoka rongony ireto satria zary mampiana-dratsy ny tanora ny fanehoana izany amin’ny fahitalavitra. Ny haino aman-jery dia tokony hanana ny toerana amin’ny lafiny fanabeazana, indrindra ho an’ny tanora amin’izao fotoana sarotra lalovan’ny firenena izao. Misy ny fomba maro azo nanehoana ilay fanadihadiana, fa ny endrika nanehoana ny fomba ahitan’ireo tanora teny amin’ny farihin’i Masay rongony sy ny fomba ataony hialana amin’ny mpitandro ny filaminana dia sary ratsy sy lasa fampianaran-dratsy ny tanora.

 

Nofy R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT