Tafakatra 1.450 ireo mpifindra monina avy any Atsimo niala tamin’ny toerana
niaviany tamin’ity taona 2021 ity. Isan-taona anefa raha araka ny fanazavana azo omaly dia manodidina ny 300 ka hatramin’ny 400 ihany izy ireo, ary manana saran-dalana handehanana hifindrana monina mamonjy ireo fianakaviany mihitsy. Noho ny fahasahiranana nateraky ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19 anefa dia tsy nahita vahaolana intsony izy ireo ka vao mainka nitombo isa, indrindra fa ny zaza amam-vehivavy. Raha araka ny fantatra moa dia efa nisy ny andraikitra noraisin’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Birao nasionaly misahana ny loza voajanahary ka ho an’ireo tonga tetsy amin’ny Fasan’ny karana ohatra dia nisy ny trano lay lehibe nametrahana azy ireo narahin’ny famatsiana sakafo. Nirodana tampoka anefa io trano lay io ka efa nifanome tanana amin’ny fanarenana izany ny fikambanana Vokovoko mena Malagasy. Toraka izany koa ireo tany Fianarantsoa. Raha araka ny fantatra moa dia fianakaviana miisa 1500 voakasik’izany no noraisina an-tanana ka anisan’izany ireo lasa any amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.