Mpifidy very zo

> Miandry ny fanadihadiana ataon’ny CENI-T


  • Alatsinainy 04 Novambra 2013

Mazava izany izao ny resaka fa tsy hisy ny fanokafana ireo lisi-pifidianana ho an’ireo olom-pirenena Malagasy feno taona manana zo hifidy tsy voasoratra mihitsy nandritra ny fotoana nandalovan’ireo rantsamangaikan’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita voalazan’ny andininy faha-31.

Ny antony dia satria tsy manana fahefana amin’izany ny CENI-T fa andraikitry ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana ny manapa-kevitra mikasika ny fanitsiana ny lisi-pifidianana. Na izany aza dia eo am-pikarohana ny vahaolana fanarenana ireo lesoka momba ireo mpifidy marobe noverezin-jo ka tsy afaka naneho ny safidiny tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany ny zoma 25 oktobra 2013 lasa teo ny CENI-T, hoy ny filoha lefiny, Tahindro Gervais. Raha ny fanazavana nentiny dia efa eo amin’ny fanadihadiana famantarana marina ny salan’isan’ireo mpifidy nanana olana ka tsy nahazo kara-pifidianana na tsy voasoratra anarana tao amin’ny lisi-pifidianana eny ifotony ny dingana ankehitriny. Aorian’izay kosa vao hivory sy hiroso amin’ny fanapahan-kevitra ireo mpikambana ao aminy. Fomba roa moa no azo entina hamahana ny olana, hoy ity tompon’andraikitra ity, dia ny fizarana kara-pifidianana ho an’ireo izay efa voasoratra ara-dalàna ao amin’ny lisi-pifidianana ary ny fanamarinana akaiky ny lisi-pifidianana ho an’ireo izay efa manana kara-pifidianana. Antenaina fa dia hizotra araka ny tokony ho izy sy ara-potoana ity asa fanampiny ity ka tsy hisy intsony ireo olom-pirenena very zo amin’ny fandatsaham-bato izay hotanterahana ny zoma 20 desambra 2013.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT