Actualités

Mpiasan’ny Kraomita Malagasy Nampanantsoin’ny prefe ireo mpitokona


  • Alarobia 27 Janoary 2021

Tonga hatrany amin’ny fampiantsoan’ny prefen’ny polisy eto Analamanga ny

 

 

 

fitokonana tanterahin’ireo mpiasa miisa 400 eo anivon’ny orinasa Kraomita Malagasy na ny KRAOMA. Ny faran’ny herinandro teo no nahazo ny taratasy fampiantsoana mifandraika amin’izany ny solontenan’ny mpiasa. Anisan’ny antony fampiantsoana raha araka ny fanazavan-dRajoelison Evariste, solontenan’ny mpiasa ny filazana fa tsy ara-dalàna ny fitokonana tanterahin’izy ireo. Izahay anefa hoy izy tsy eny ivelany no mitokona fa ato anatin’ny foiben-toeran’ny orinasa. Ankoatra izay hoy izy dia ny inspection de travail no nangatahana alalana ka efa nilaza izy ireo fa raha tsy misy manohitra ao anatin’ny 48 ora, fotoana hametrahana izany ilay fangatahana dia azo tanterahina soamantsara. Tsy nisy nanohitra izany hoy hatrany ity solontenan’ny mpiasa ity ka notanterahinay saingy ny mahavariana hoy izy dia andro maromaro aty aoriana vao lazaina fa tsy ara-dalana ilay fitokonana. Nomarihin’izy ireo moa fa efa 11 volana izao no nanatanterahany ity fitokonana ity ary tsy ho reraka izy ireo raha tsy azony ny karamany rehetra arahin’ny fampiodinana ny orinasa. Mikasika ireo olona 13 miara-dalana amin’ny mpitantana ankehitriny dia nomarihiny fa be noho ny vitsy izy ireo ka tsy misy mampanahy ny momba azy rehefa tsy hiara-hitaky amin’ny besinimaro. Tsiahivina moa fa nandefa taratasy fangatahana fanazavana teny anivon’ny filohan’ny filan-kevi-pitantanana PCA teny Ambohitsirohitra izy ireo ny faran’ny herinandro hatramin’ny Alatsinainy teo saingy tsy tratra hatrany ity tompon’andraikitra iray ity.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

Hijery ny tohiny
FTT