Actualités

MPIASAN’NY KAOMININ’I TOAMASINA “Tara lava ny karama, esory ireo manaonao foana”


  • Zoma 06 Aogositra 2021

Tara lava ny karaman’ireo mpiasa eo anivon’ny kaominina ambovohitr’i Toamasina. Mahatsiaro ho tena sahirana izy ireo noho izany, antony nanaovana fitokonana omaly.

 Raha araka ny fantatra dia ny mpiasa raikitra karama noraisina farany tamin’ny volana Aprily 2021, ny journalier volana Jolay 2020 no tena miaina izany. Raha araka ny fitarainan’ireto farany dia vokatry fitantanana gaboraraka no mahatonga izany. Ny kominin’i Toamasina I anefa hoy izy ireo no kaominina manana fidiram-bola betsaka indrindra manerana an’i Madagasikara. Fanampin’izay hoy ireo mpiasa dia efa tsy takona afenina tahaka ny vay an-kadrina ny fitarainam-bahoaka ao Toamasina ny amin’ny hafitsoky ny tomponan’andraikitra sasan-tsasany eo anivon’ny kaominina ny amin’ny fihetsika tsy voahevitra hataony eo am-panatanterahana ny asany. Takian’ireto mpiasa ireto amin’ny Ben’ny tanana araka izany ny tokony hanoloana ireo tompon’andraikitra izay heverina fa tsy vonona ny hampandroso ny tanana ireo.
Nangonin’ i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT