Actualités

Mpiasan’ny ladoany “pétrole” Manohana ireo namany tadiavina hogadraina


  • Zoma 19 Aogositra 2011

Namoaka fanambarana ireto mpiasan’ny fadintseranana ireto taorin’ny fihaonana nataon’izy ny talata 16 aogositra.

 Nandritra izay no nilazan’izy ireo fa mizaka ny tsy eran’ny ainy ny mpiasan’ny fadintseranana eo ampanaovana ny asa. Sazy amin’ny endriny samihafa anefa no milatsaka sy mihatra ho setrin’ny fitakiana vahaolana ataon’izy ireo. Maneho ny firaisam-po sy saina amin’ny mpiasa iharan’ny fanasaziana izy ireo. Mahatsapa ireto mpiasan’ny ladoany -Pétrole ao Toamasina ireto, fa “marary ny fadintseranana, tsy misy mba hitarainana fa kamboty tanteraka, ny miaramila no hatao biby fampitahorana ary lasa herim-pamoretana. Voahitsakitsaka tanteraka ny maha-ladoany izay tsy fahita maneran-tany raha tsy eto amintsika”.

Manoloana an’ireo fisehoan-javatra ireo dia “manentana ny mpiasa miasa mba samy ho tonga saina” izy ireo, ary koa “mitaky tsy misy fepetra fampijanonana ny fanasaziana ny mpiasan’ny fadintseranana, na iza na iza iharan’izany ankoatra ny hita fa nanao heloka. Raha tsy misy ny vahaolana hita izao zavatra manahirana ny mpiasan’ny fadintseranana izao, dia hanatevin-daharana izahay ato amin’ny Pétrole”. Midika izany izao, fa raha misy ny zava-mitranga amin’ny mety ho fanasaziana ny naman’izy ireo, dia hitokona koa ny ladoany mpamoaka solika ao Toamasina. Efa niezaka tonga nandamina ny raharaha tao Toamasina moa ireo mpanolontsaina sy mpiara-miasa amin’ny minisitry ny fitantanam-bola, saingy tsy mbola nivaha ny olana hatreto, ary mahatonga ny savorovoro eo anivon’ny ladoany Toamasina.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT