Actualités

Mpiasan’ny Ladoany Manao randramitarika ny fitokonana


  • Alarobia 06 Jolay 2011

Mitatra hatrany ny raharaha. Raha tsy mbola niasa fa nanohy ny fitokonany ireo mpiasan’ny ladoany Antanimena omaly dia nanaraka azy ireo koa ny namany miasa eny amin’ny foibe Antaninarenina.

 Vao maraina die efa nipetaka teo ambonin’ny varavarambe fidirana ny sorabaventy milaza ny fiaraha-mientan’ny mpiasa amin’ireo fitakiana efatra. Nivoaka ny biraony avokoa ireo mpiasa tokony ho 150 isa eny an-toerana omaly rehefa nipaika ny tamin’ny 10 ora maraina ka nanatanteraka fivoriana teo amin’ny tohatohatra miditra ny trano fiasana (eo ampitan’ny Banky Foibe). Nohamafisina nandritra izany ny firaisankinan’ny mpiasan’ny fadintseranana manoloana ny zava-misy. «Rehefa marary ny tontolo misy anay dia samy marary avokoa ny mpiasa rehetra ka izay no mahatonga ny fiaraha-mientana», hoy Andrianoarimanana Lanja, solontenan’ny mpiasa. Ity farany izay nitsotra ny fisian’ny fandrindrana ny tolona iarahana amin’ireo namana eny Antanimena. Nifandray an-telefaonina tsy tapaka rahateo ny roa tonta raha ny heno omaly. Samy niandry izay fihetsiky ny mpitondra ireo mpitokona omaly saingy tsy nisy mihitsy ny fifampidinihana. Araka izany dia mitohy ny tolona ary mety hitatra amin’ny sampandraharahan’ny ladoany eny Ivato izany raha ny loharanom-baovao omaly hariva.

 

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT