Nanatanteraka Sit-in tetsy amin’ny Madarail Soarano omaly ireo mpiasan’ny Groupe Sodiat an-jatony ho fanairana ny fitondram-panjakana manoloana ny ambaran’izy ireo fa fanohintohinana ny asa ataon’ny mpandraharaha Malagasy.
Nitranga moa izao hetsika izao taorian’ny fisavana ny tranon’Atoa Mamy Ravatomanga, filoha tale jeneralin’ny vondron’orinasa Sodiat ny alakamisy lasa teo.Olona an’arivony no velomin’ny Groupe Sodiat, hoy ny mpitondra tenin’ny mpiasa omaly ka aoka handinika tsara aloha ny fitondram-panjakana fa tsy maimaika fotsiny hanao antsojay amin’ny mpandraharaha Malagasy. Toa efa mampitandrina sahady ireto mpiasa ireto fa hanao hetsika goavana raha toa ka samborina eo ny lehiben’izy ireo. Tsy fantatra mazava raha mbola hitohy anio ity sit-in nataon’ny mpiasan’ny Sodiat ity fa raha ny fahitana azy teny an-toerana aloha dia tsy misangisangy fa tena vonona hiaro tokoa ny lehibeny ireto mpiasa ireto.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.