Actualités

Mpiasan’ny fahasalamana Nanao fampisehoan-kery tao amin’ny HJRA


  • Alarobia 30 Mey 2012

Raikitra ny fitokonan’ny mpitsabo sy ny Paramed omaly teny amin’ny HJRA Ampefiloha.

 Fampisehoan-kery no nataon’ireo mpitsabo omaly satria nilahatra namakivaky ny tokotanin’ity hopitaly ity niainga teo amin’ny kianja filalaovana baskety izy ireo ary nitsofoka tany anatin’ny lalantsara ary niverina teo amin’ny toerana niaingana avy eo. Fanehoana fa misy tokoa ny fitokonana no anton’ny filaharana ankoatra ny fanentanana izay mbola mijanona any amin’ny birao any hanatevina ny tolona raha ny fanazavana azo. Nahatratra hatrany amin’ny 200 metatra ny halavan’ilay filaharana raha ny tombana. Sarotra ny manao tombana ny fahombiazan’ny hetsika fa raha ny hita omaly tao amin’ny HJRA dia misy ireo mpitsabo sasany miasa kanefa manampy isa ny mpitokona maneho firaisankina avy eo, ao koa ny mifanohitra amin’izay. Ho an’ny tany amin’ny faritra indray dia ny tao Toliara no nahazoana akony.

Namory mpanao gazety nanambara ny fiarahany mientana amin’ireo mpitsabo manerana ny Nosy ireo dokoteram-panjakana ao an-toerana. Niranty manoloana ny fidirana ny hopitaly ny sorabaventy samihafa manamafy ny fitakiana milaza fa “aloavy ny trosan’ny dokotera amin’ny fampiharana ny didim-panjakana”. Raha iverenana kosa ny teto an-drenivohitra dia nanara-dia ireo mpitsabo ny Paramed. Ny “soa tokoa fianatsa” ka nanatontosa filaharambe toy izany koa teo amin’ny tokotanin’ny HJRA manoloana ny vavahady ireo Paramed mialoha ny fivoriambe mahazatra.

Marihina fa nanapa-kevitra ny tsy hiasa tanteraka sady tsy misy fiandrasan-draharaha ireo sage femme sy infirmier manerana ny Nosy omaly. Nisy ireo nanaraka ny toromarika satria nihidy tanteraka ohatra ny CSB Anosy Avaratra omaly araka ny antso fitarainana nataon’olon-tsotra. Noho ny fisian’ny dinika fikaroham-bahaolana hiarahana amin’ny fanjakana kosa dia nanapa-kevitra ny hampiato ny fitokonana ny mpitsabo anio sy rahampitso. Misy indray ny fivoriambe tontosain’izy ireo ny zoma izao handraisana fanapahan-kevitra raha tohizana ny fitokonana na tsia. “Miankina amin’ny fivoaran’ny dinika izay”, hoy ny Dr Ndatason Fréderic, filohan’ny Sendikan’ny mpitsabo. Ireo Paramed kosa dia naroso amin’ny roa ora tolakandro ny “service minimum” hataon’izy ireo manomboka anio.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT