Actualités

Mpiasan’ny BFV SG Tao ny nitokona, nisy koa ireo niasa


  • Alarobia 06 Martsa 2013

Roso amin’ny fitokonana lavareny ny mpiasan’ny banky BFV-SG nanomboka omaly.

 Re teny antsefatsefany teny ihany anefa fa telo andro no tena haharetan’izy ity, hanerena ny mpampiasa hanaiky ny fanatsarana ny sosialin’ny mpiasa, ka voakasika manokana amin’izany ny karama. 13% ny fisondrotan-karama takian’ny mpiasa raha efa 20% izany teo am-piandohana avy eo nidina 15%. 9% anefa no eken’ny mpampiasa, ary dia mihenahena eo ny raharaha hatry ny omaly, izay nahatonga ny ankamaroan’ny mpiasa nitokona teny Antaninarenina misy ny foiben’ity banky ity.

Na izany aza nisy ihany ireo masoivoho nisokatra, 10 amin’ny 17 raha ny teto an-drenivohitra, ary nisy mpiasa niasa. Niaiky izany ireo mpitarika fitokonana saingy nanamarika fa tsy mpiasa raikitra ireo niasa ireo ary nahazo fandrahonana. Marihina fa manana masoivoho 44 ny BFV-SG manerana ny Nosy.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT