Actualités

Mpiasam-panjakana CSGCEM Ho avy amin’ny angady sy harona izahay


  • Alatsinainy 16 Aprily 2012

Gazety be araka ny fomba filaza fa am-polony pejy ny fehin-kevitra nivoaka teny amin’ny CCI Ivato tamin’ny zoma teo tao anatin’ilay fikaonan-doha nandritra ny roa andro nataon’ny Fivondronamben’ny Mpiasam-panjakana ambony eto Madagasikara (CSGCEM).

 Raha fintinina dia hoe : tsy mahomby ary tapi-dalan-kaleha ny fiaraha-mitantana ankehitriny ato anatin’ny tetezamita. Maro, hoy izy ireo, ny zavatra tsy mety ary tsy mitondra voka-tsoa ho an’ny firenena eo amin’ny fampandrosoana katsahiny ka tsy hisalasala intsony izy ireo hampiseho sy hampisongadina ireo hita fa tsy mety ireo. “Ho avy amin’ny angady sy ny harona izahay”, hoy ny feo avo heno teny Ivato, “fa tsy hangina intsony”. Ho an-dry zareo mpiasam-panjakana ambony ireto dia tsy azo angatahana andro intsony ny fanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakana eto Madagasikara satria mila fanarenana maika ka takian-dry zareo ny hananganana malaky ny CSA (Filankevitra ambonin’ny mpiasam-panjakana). Teo imason’ny Praiminisitra Omer Berzika sy ny minisitra Tabera Randriamanantsoa no nilazan-dry zareo izany rehetra izany. Samy naneho ny fahavononany hiaraka hiasa amin’ny CSGCEM izy ireo rehefa haharay avy an-tanana ity fehin-kevitra ity nefa dia namepetra ihany koa fa tsy tokony hanaraka ambokony fotsiny amin’izay tsy mety hitany ny mpiasam-panjakana ambony fa izany no nianarana tany amin’ny ENAM.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT