Actualités

Mpiasa sy sendika ary mpampiasa Nampiadian’ny fanjakana


  • Talata 08 Novambra 2022

Mikasika ny fampiakarana ho 250.000 Ariary ny karama farany ambany eto Madagasikara, hoy ny Randrana sendikaly, dia lazaina hoe natokana ho an’ity taona 2022 ity ilay didim-pitondrana.

Didim-panjakana mantsy ilay 626-2022, hoy ny sekretera jeneraly, Barson Rakotomanga. Io no nilaza hoe karama farany ambany fa ilay didim-pitondrana indray niteny hoe amin’ity taona ity ihany. Niova ny nitondran’ny mpampiasa an’iny izao rehefa takian’ny mpiasa eny amin’ny toeram-piasany ny fampiharana azy. Nozarainy roa ilay izy. Ny karama fototra na “salaire de base’’ natokany ho 217.000 Ariary. Ilay 33.000 Ariary kosa nataony ery ambany ery hoe « subvention ». Tsy narahan’ilay mpampiasa izany ilay didim-pitondrana fa nataony amin’izay mampety ny fanazavany. Rehefa nifampiresaka moa izahay dia hoe manjary rehefa amin’ny janoary raha ohatra ahena ilay karama 250.000 dia diso izy satria mandika ny andininy faha 11 amin’ny fehezan-dalanan’ny asa. Nampiadian’ny fanjakana izany izao ny mpiasa sy sendika ary mpampiasa. Izany no mbola mampisy orinasa maromaro miziriziry tsy hampiakatra karama. Tsy manara-dalana iny lalana navoaka iny ary izay no tena olana. Tsy mazava amin’ny mpampiasa ilay hoe “subvention” na fanampiana. Ilay izy tsinona tsy fanampiana akory fa hoe ho atao lentsin-trosa ary amin’ny resaka volan’ny mpampiasa. Mbola tsy nisy izany teto Madagasikara ary tsy matoky ny fanjakana ny mpampiasa. Na ireo mpitsirika asa aza misy miteny fa sanganehana ao anatin’io. Izahay moa izany tsy maintsy manao fitakiana foibe eny anivon’ny orinasa mba tsy hisian’ny hoe fitokonana tsy ara-dalana rehefa mitroatra ny mpiasa. 250.000 Ariary no lalana. Mbola tantara hafa koa ilay resaka “rappel” satria mbola samy manana ny fanaovany azy hoe ho zarazaraina sa tonga dia miaraka omena? Raha vao betsaka tsinona ny karama dia betsaka koa ny hetra. IGR eo no resaka. Ny olana dia ny lalana mihitsy no lasa nampiadiana ny sendika sy mpiasa amin’ny mpampiasa ka ahiana ny hisian’ny fikorontanana ho amin’ny hoavin’ny tontolon’ny asa malagasy, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT