Actualités

Mpiasa nolazaina fa tsy tamana Ny fatiny no nalefan’ny mpampiasa azy nody


  • Alakamisy 05 Janoary 2023

Ankizivavy vao 15 taona, izany hoe mbola tsy ampy taona niasa taman’olona teto Antananarivo no maty ary

nalefan’ny mpampiasa azy nody tany amin’ny Ray aman-dReniny tao Manazary Miarinarivo Itasy ny razana omaly. Nilaza ny mpampiasa azy hoe: “tsy tamana ilay zanakareo fa alefanay miverina hay razana no tonga avy any”, hoy ny fitantarana avy any an-toerana. Tsisy taratasy, tsy misy na inona na inona milaza ny anton'ny fahafatesana hoy ny fanamarihana. Nambara fa vao io omaly io no maty, kanefa dia efa heno misy fofona, efa miha simba ny razana, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Tetsy an-daniny, voalaza fa lasa adala tanteraka ny reniny noho ity nanjo an-janany, izay efa tsy miaina intsony isa tonga teo aminy. Efa tonga any an-toerana moa ny mpitandro filaminana mijery ity raharaha ity, ka andrasana ny tohiny.
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT