Fitakiana ny fampidirana azy ireo hiasa indray eo anivon’ny tetikasa Ambatovy no fototry ny fitokonana andian’olona mibahana ny lalana mihazo an’i Tanandava Toamasina misy famokarana nikela sy kobalta an’ny tetikasa Ambatovy.
Mpiasa taloha nandray anjara tamin’ny fanorenana ireo fotodrafitrasan’Ambatovy tao Tanandava izy ireo, ary naato rehefa vita ny fanorenana. Ankehitriny dia mivadika ho fandrahonana mpanao gazety ny hetsik’izy ireo, fa hoe efa “voavidin’ny tetikasa Ambatovy, ka manao tsinontsinona ny fahorian’izy ireo mitaky ny zony”. Efa tamin’ny taona 2011 ireto mpiasa ireto no naato tamin’ny asany, ary tsy tetikasa Ambatovy mivantana no nampiasa azy ireo fa ny Keangnam, izay orinasa Koreana, nisahana ny fanorenana ireo fotodrafitrasa tao Tanandava ary efa nahavita ny fifanarahana arak’asany tamin’ny tetikasa Ambatovy.
Tsara marihina hatrany koa, fa ireo mpiasa efa naato, ary mitokona ankehitriny ireo dia efa anisan’ireo mahazo ny fanampiana antsoina hoe : “AIDE” na fanampiana ireo voatery naato teo anivon’ny tetikasa, izay omena isam-bolana ary mandritra ny 06 ka hatramin’ny 18 volana arakaraka ny faharetan’ny fotoana niasany tamin’ny fanorenana ny orinasa. Araka ny vaovao nomen’ny vondrom-pileovan’ny zandary ny Faritra Atsinanana, dia voatery nisambotra olona am-polony tamin’ireo mpitokona tao Tanandava izy ireo ny alatsinainy teo noho ny fibahanan’izy ireo ny toeram-ponenan’ireo mpiasa tao ka tsy afaka namonjy ny asany. Henjana isan’andro ihany koa ny fifanatrehana eo amin’ireto mpiasa mitokona ireto sy ny zandary noho izy ireo mibahan-dalana sy manidy ny vavahadin’ny orinasa. Misy hatrany moa ny fivoriana eo anivon’ny Faritra Atsinanana hijerena ny ho famahana ny olana, ka andrasana izay ho vokany haingana satria efa mila hivadika fankahalana foko ankehitriny ny raharaha.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.