Mpiaro ny zon’olombelona

> Manameloka ny vono olona tany Nosy-Be


  • Zoma 11 Oktobra 2013

10 oktobra, andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny fanamelohana ho faty. Nanararaotra ity andro omaly ity ny fikambanana ACAT, mpiaro ny zon’olombelona hanaovana antso avo amin’ny mpitondra hanafoana ny fanamelohana ho faty ao amin’ny fehezan-dalŕna famaizana.

Ny famonoana olona ihany no sokajiana heloka bevava mety hahazoana fanamelohana ho faty. Tsy misy akory ny fandatsahana aina fa misazy mandra-pahafaty ireo gadra 62 iharan’ity sazy ity eto Madagasikara. Marihina fa efa nanasonia fifanarahana iraisam-pirenena fanafoanana ny fanamelohana ho faty ny Fanjakana tamin’ny jolay 2012 ary dingana iray sisa ataon’ny fanjakana dia foana tanteraka izy ity. Fa niantefa tamin’ny olom-pirenena rehetra koa ny hafatra nampitain’ny ACAT manoloana ny firongatry ny fitsaram-bahoaka tamin’izao faramparan’ny tetezamita izao. Raharaha mitana ny sain’ny maro iny fandorana olona velona miisa telo tany Nosy Be farany teo iny. Nanameloka iny fandatsahana aina iny ny filohan’ny ACAT Raharinoronirina Maria izay nilaza fa tsy miteraka ny fihenan’ny heloka na koa mamerina ny fandriampahalemana ny valifaty famonoana olona. “Ny heloka no andeha hatsahatra fa tsy ny ainy no alatsaka” rahateo no lohahevitra nobanjinina tamin’ity andro iraisam-pirenena ity.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalĂ na ambony,

Hijery ny tohiny
FTT