Mpiaro ny zon’ny mpanjifa

> Tadiavina hotapenam-bava Rabetsara Lita


  • Talata 10 Septambra 2013

Mpiaro ny zon’ny mpanjifa mihetsiketsika fatratra ankehitriny, eny hatramin’ny raharaha ara-politika, Rabetsara Lita, filohan’ny vovonana mpiaro ny zon’ny mpanjifa na RNDC.

Vao ny zoma lasa teo ny tenany no naneho hevitra manohitra ny fanatontosana fifidianana amboletra fa tamin’ny anaran’ny vovonana “Ho an’ny Tanindrazana” indray. Masiaka hatrany moa ny fanehoan-keviny ka maro no tsy mahazaka. Nitory azy noho ny fijoroany amin’ny fahitany fa tsy rariny ny orinasa JK Group. Noho ny fanafaran’ity orinasa ity solosaina tsy araka ny nifanarahana tamin’ny tompony dia nanampy azy ireo nanao hetsika fanamelohana ny fomba fiasan’ilay orinasa sy fitakiana famerenam-bola Rabetsara Lita. Nilanja sorabaventy teny amin’ny foiben’ny orinasa teny Antanimena mihitsy ny tenany notronin’ireo mpanjifa nahatsiaro voafitaka. Tsy nipetra-potsiny anefa ny JK Group fa nitory azy noho ny “filazana zavatra tsy mitombina”. Omaly no nampiantsoan’ny zandary teny Ankadilalana nalaina am-bavany Rabetsara Lita saingy nanamafy fa tsy hihemotra mihitsy eo anoloan’ny fahitany fanambakana sy fitaka. Manana zo hiaro tena ny orinasa JK Group izay mahatsiaro ho afa-baraka tamin’ity resaka ity saingy mahagaga ihany ny fifanakaikezan’ny fampiantsoana ny filohan’ny vovonana mpiaro ny zon’ny mpanjifa teny amin’ny zandary sy ilay fanehoan-kevitra ara-politika nataony.

 Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT