Mpiandry fonja

> Niverina niasa saingy misy ireo tsy faly


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2013

Niverina niasa ireo mpandraharahan'ny fonja nitokona telo andro nanomboka ny alakamisy 8 aogositra teo rehefa avy nifampidinika niaraka tamin'ny praiminisitra Beriziky. Manoloana izany dia samy nanana ny heviny ireo mpandraharahan'ny fonja sendra anay.

Tao ny nilaza fa famonoan'afo sy fandrembirembena fotsiny io entina hamotehana ny tolom-pitakianay. Miahiahy mafy ary nahitsy fiteny ireto mpandraharahan'ny fonja naneho hevitra fa “teti-dratsy entina handemen-tsaina sy hanampenam-bava indray anay amin'ny alalan'ny fampanantenana poakaty sy ronono an-tavy io, toy ny efa nahazatra hatramin'izay, tao anatin'ity fitondrana tetezamita ity, ka tsy hantenainay firy”.

 

Manala-baraka

 

Tetsy andaniny kosa anefa dia tsy vitsy ireo mpiandry fonja no faly sendra ny fanadihadianay ary nilaza fa “dingana iray amin'ny famahana olanay iny”, ka ho hita eo ny tohiny. Manantena valiny mahafa-po haingana avy any amin'ny fanjakana moa izy ireo saingy nametraka fepetra sy fampitandremana. “Toky fitaka. Tandremo sao dia hibolila eo fa hifampitady eto isika, ka hotsarain'ny tantara sy ny vahoaka”. Ny faran’ny herinandro teo moa dia nasiaka fitenenana momba ny fihetsiky ny mpiambina fonja ny jeneraly Ravalomanana Richard, komandy ambonin’ny zandarimariam-pirenena. Nambarany mihitsy fa manala-baraka ny mpitandro filaminana ireto mpiambina ny fonja ireto. Niantso ny manampahefana mba handray andraikitra haingana ity jeneraly ity hamahana ny olana, ka asa raha fifanandrifian-javatra ihany na ahoana fa taorian’izay dia izao nilaza fa hiverina hiasa ireo mpiambina fonja.

 

 

E.R sy RTT

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT