Actualités

Mpianatry ny sekoly Frantsay Tena tsy tia ny teny Malagasy


  • Alakamisy 21 Jolay 2016

Tsy tia ny teny Malagasy mihitsy ireo zatovo Malagasy mianatra any amin’ny sekoly frantsay, hoy Atoa Andriamihaja Jean Dolisn iDol’Aj, tafaresaka tamin’ny Tia tanindrazana omaly.

Tsy hoe tsy miresaka amin’ny teny Malagasy izy ireo, hoy izy, fa ny mamaky sy manoratra izany teny gasy izany mihitsy no tsy hain’izy ireo. Tsy mahagaga moa izany, hoy ity filoha lefitry ny Havatsa Upem ity, satria tsy tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianaran-dry zareo mihitsy tsinona izany fampianarana ny teny Malagasy izany. Misy dia misy ary ny raiamandrenin’ny mpianatra malahelo mafy noho izany toe-javatra izany ka tonga mitady fanampiana aty aminay Havatsa Upem ary dia misy tokoa ny mangataka hampianarinay etoana, hoy ny fanazavany. Na dia somary manahirana kely aza ny mampitaha ny fampianarana noho ny fotom-pisainan’ireto zatovo efa tena mirona amin’nykolontsaina vahiny (frantsay)  be loatra dia mahavelom-bolo ihany noho ny farany ny finiavana hananan’izy ireo. Amin’izao fotoan’ny fialantsasatry ny mpianatra izao, hoy i Dol’Aj, dia mavitrika ery ny zaza  Malagasy mandranto fianarana teny frantsay eny amin’ireny  “Alliance française” ireny, mba rahoviana kosa vao hitsangana ny foibe ara-kolotoraly Malagasy hampianarana teny Malagasy, hoy izy ?

NtsoavinaEvariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT