Mpianatra nodorana velona

> Vehivavy 2 any am-ponja, misy zandary ahiahiana


  • Alatsinainy 09 Septambra 2013

Lasa resa-be ao Sainte Marie ny firehetan’ny trano ka nahakila forehitra an’i Foutra Angélico Juvenal, 26 taona, mpianatra ao Barikadimy nitranga ny alin’ny sabotsy 3 aogositra hifoha ny alahady 4 aogositra tao Île aux Nattes.

Raha ny fanazavana avy amin’ny fikambanan’ny mpianatra terak’i Sainte Marie ao Barikadimy (UNASMA) dia niara-nisotrosotro tao anaty trano fisotroana iray tao Ile aux Nattes i Foutra Angélico Juvenal sy ny sakaiza vaviny ary vehivavy iray naman’ny sakaizany, ny sabotsy 3 aogositra. Niara-nody tany an-trano izy telo taorian’izay. Tokony ho misasakalin’io sabotsy 3 aogositra io anefa dia nahatazana afo nilelalela tamin’ny tranon’i Juvenal ny manodidina. Nifarimbona namono ny afo ny Fokonolona ary nanao tanamaro namoaka ny olona sy ny entana tao an-trano. Nihidy avy ivelany anefa ilay trano ka voatery novakina. Vao nisokatra ny trano dia i Juvenal efa maty main’ny afo tanteraka teo ambony seza no hitan’ny Fokonolona ary mbola nahenoana fofona lasantsy tao an-trano nandritra izany. Efa tsy teo an-toerana kosa ilay sakaiza vaviny sy ilay namany. Nanomboka teo ny ahiahin’ny Fokonoloana.

Ny ampitso  04 aogositra vao maraina be anefa dia hitan’ny olona tao amina hotely iray ao Sainte-Marie, niomana handeha haka lakana ho any Mananara Avaratra izy roa vavy. Nindram-bola taman’olona izy ireo mba hatao saran-dalana nefa tsy nisy nanome azy ireo noho io zava-nitanga ny alina io. Nametraka fitoriana ny fianakavian’ny maty. Natao avy hatrany ny fikarohana ka sarona tao Sainte-Marie ihany izy roa vavy. Ny 11 aogositra no niakatra mpitsara mpanao famotorana tao Toamasina ny raharaha, ka nahazo fahafahana vonjy maika izy roavavy ireto. Voatery nampiakatra ny raharaha teo anivon’ny Fitsarana ambony ny fianakavian’i Angélico Juvenal. Ny angom-baovao hatrany no nahalalana, fa nandritra ny famotorana dia nibaradaka izy roa vavy fa nasian’izy ireo fanafody mampatory ny zava-pisotro nosotroin’i Angélico Juvenal nandritra ny revy natao. Ny 14 aogositra, nivoaka ny didy ka voatazona vonjy maika ao amin’ny fonjan’Ambalatavoahangy izy roa vavy miandry ny fitsarana azy ireo noho famonoana olona. Ny sabotsy 24 aogositra teo kosa, nanao fivoriana maika ny UNASMA (Union des Natifs de Sainte Marie) sy AJUSM (Association des Jeunes Universitaires Saint-Mariens) taoToamasina namakafaka sy nitady vahaolana momba ity toe-draharaha mampalahelo ity.

Nandritra izany no nanaovan’izy ireo fanambarana manameloka iny famonoana ny zanak’izy ireo iny ary miantso ny ambaratongam-pahefana rehetra mba handray an-tanana ny raharaha. Nampiaka-peo ny UNASMA ary miahiahy zandary iray ho atidohan’izao vono olona izao. Araka ny filazan’izy ireo mantsy dia misakaiza amin’io zandary io ilay sakaizavavin’i Foutra Angélico Juvenal. Takian’ny UNASMA sy AJUSM ny hampiharana ny lalàna amin’ny olona rehetra nandray anjara mivantana na an-kolaka tamin’ny famonoana ity mpianatra Barikadimy ity.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT