Mpianatra iray afaka tamin’ny fifaninana idirana ho « Inspecteurs sy Agents de police »
tao amin’ny ENIAP Antsirabe no namoy ny ainy tampoka ny faran’ny herinandro teo. Iray tamin’ireo mpianatra 100 afaka tamin’ny fifaninana izy raha araka ny vaovao ofisialy azo. Toy ny fanaon’ny sekoly mahazatra dia nisy ny fandraisana azy ireo tamin’ny fomba izay fanaon’ny sekoly. Anisan’ireny ny fitsapana azy ireo amin’ny tanjaka ara-batana sy ara-tsaina teo am-pidirana. Mpianatra iray anefa no lavo nindaosin’ny fahafatesana tamin’ny andro faharoa. Taorian’ny hetsika ara-batana iray izay nataony dia niala sasatra ireo mpianatra ka tamin’izany indrindra no nanao fanintona ity mpianatra iray ity ka nentina haingana tany amin’ny hopitaly. Na izany aza anefa dia tsy tana ny ainy ny zoma 18 desambra 2020 teo tokony ho tamin’ny 05 ora hariva. Araka ny taratasy fanamarinana avy any amin’ny mpitsabo dia aretina « maladie cérebro-vasculaire aigüe » no nahazo azy. Izy koa dia efa manana toe-batana « diabetique » izay efa « phase 2 ». Nandray ny andraikiny avy hatrany ny teo anivon’ny sekoly nikarakara sy nampilaza ny fianakaviany. Nandrasana tao amin’ny efitrano malalaky ny sekoly ny razana ny zoma alina teo. Efa tonga any an-toerana ny fianakaviana ka tamin’ny Sabotsy no niala tao amin’ny sekoly ny vatana mangatsiakany. Tiana ny mampahafantatra fa nisy dingana fizaham-pahasalamana in-telo miantoana hataon’ny mpifaninana vao afaka miditra any amin’ny sekoly izy raha toa ka afaka soamantsara. Anisan’ireny ny fizaham-pahasalamana voalohany antsoina hoe : « CM1 » mialohan’ny adina an-tsoratra. Eo ihany koa CM2 » mialohan’ny adina am-bava sy ara-panatanjahantena ary fizaham-pahasalamana farany antsoina hoe :« CM3 » alohan’ny hidirana any an-tsekoly. Tamin’ireo fizaham-pahasalamana ireo dia voalaza fa « apte » hatrany ity mpianatra ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.