Tsy mbola voavaha ny fahorian’ireo mpianatra any Chine noho ny vatsim-pianarana sy ny fanampiana isan-taona tsy voaloan’ny fanjakana tetezamita, dia izao mitranga indray ny an’ireo mpianatra Malagasy any Rosia izay tsy nahazo vatsim-pianarana sy fanampiana tao anatin’ny herintaona.
Raha ny fanazavana azo avy amin’ireo mpianatra mandranto fianarana any amin’ity firenena Sovietika teo aloha ity, dia ara-dalàna teo anivon’ny CONABEX ny fahazoan’izy ireo ny vatsim-pianarana, neken’ny fanjakana Malagasy tamin’ny alalan’ny ministeran’ny fampianarana sy ny ministeran’ny raharaham-bahiny ary ny ministeran’ny tetibola sy ny vola izany. Ny taom-pianarana 2012-2013 anefa dia tsy nahazo ilay vatsim-pianarana 650 euros isam-bolana sy ilay 250 dolara ho fanampiana isan-taona ireo mpianatra any Rosia ireo izay miisa an-jatony. Fantatra anefa, araka ny lalàna rosiana, fa tsy mahazo miasa na mandritra ny fialantsasatra aza ireo mpianatra vahiny mandranto fianarana any, fa misy kosa ny fanampiana omeny isam-bolana mitentina 37 dolara.
Ny fanazavana nomen’ireo mpianatra ireo hatrany nandefa ny fitarainany teto amin’ny gazety Tia Tanindrazana, dia mitentina 2.900 dolara isan-taona ny fandanian’ny mpianatra iray raha tena mitsitsy tanteraka, ny 200 dolara hofantrano, 100 dolara hakana ny “Visa”, 200 dolara fiantohana amin’ny fahasalamana, 150 dolara sakafo sy ny filana samy hafa ka ny 50 dolara amin’izany dia lany amin’ny saran-dalana “bus – metro” avokoa. Vokatr’ireo dia manao antso avo amin’ny FAT ireo mpianatra ireo ny hijerena azy ireo sy handoavana ny fanampiana ary ny vatsim-pianaran’izy ireo, fa mizaka ny tsy eran’ny aina ny ray aman-drenin’izy ireo, ary mety hisy fiantraikany amin’ny fianaran’izy ireo ihany koa ny olana sedrainy, indrindra ilay fandoavana ny “visa” sy ny saram-pianarana isan-taona…
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.