Efa hifarana ny taom-pianarana, miverina indray ny olan’ireo mpianatra any ivelany toy ny any Chine.
Velon-taraina ireo mpianatra fa tsy hahazo mari-pahaizana noho ny tsy fandoavan’ny fanjakana Malagasy ny saram-pianaran’izy ireo. Efa tafiditra ao anatin’ny tetibolam-panjakana ny fanomezana vatsim-pianarana azo tamin’ny alalan’ny fanjakana Malagasy raha ny tokony ho izy. Mampametra-panontaniana anefa ny zava-misy hoe : misy tsy ara-dalàna ve ny fivoahan’ireo mpianatra sasany nankany ivelany ka mahatonga izao olana izao ? Tsy ilaozana aferafera sy bizina ny fandefasana olona any ivelany toy izao ka mety ho izay no mahatonga ny olana. Porofon’ny tsy fitohizan’ny fitantanana ny raharaham-panjakana ihany koa anefa ny zava-misy. Raha ny fantatra mantsy dia tsy tamin’izao fitondrana izao no nandehanan’ireo mpianatra ireo nivoaka any ivelany fa tamin’ny teo aloha. Samy tompon’andraikitra ny mpitondra sy ny mpianatra ka ilaina ny famahana haingana izao olana izao satria lasa henatra ho an’ny firenena. Tokony hisy koa anefa ny fanadihadiana sy fanasaziana izay nanao tsirambina. Ilàna fanaraha-maso akaiky ireo mpianatra any ivelany mba tsy ho vesatra ho an’ny fanjakana fotsiny kanefa tsy manome vokatra sy tombony ho an’ny firenena akory. Ny vola lany amina mpianatra iray any ivelany mantsy dia ahafaha-mampianatra zanaka Malagasy an-jatony eto an-tanindrazana.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.