Actualités

Mpianatra Malagasy any ivelany Tsy manaiky ny fandroahana azy ireo ny ray aman-dreny


  • Talata 29 Janoary 2013

Tsy vahaolana ny fandroahana sy fampodiana ireo mpianatra Malagasy manovo fianarana any ivelany araka ny nambaran’ny ray aman-drenin’izy ireo manoloana ny filazan’ny minisitry ny tetibola fa tsy manam-bola handoavana ny vatsim-pianaran’izy ireo ny fanjakana ka mety handray izay fepetra izay.

 Famonoana ara-moraly sy fanampiana isa ny tsy an’asa ireo ankizy ireo ny fampodiana azy, hoy hatrany ireo nahitany masoandro izay mitaky vahaolana hafa. Any amin’ny filohan’ny FAT no ametrahan’izy ireo ny fanantenany satria manakatom-baravarana ny ankamaroan’ny tompon’andraikitra ambony izay natonina. Mangataka fihaonana amin-dRajoelina izy ireo noho izany. Nanamafy koa ireo ray aman-dreny fa fanapahan-kevitra tompon’andraikitra avy amin’ny ministera maro no nandefa ireo ankizy ireo hianatra any Frantsa, Chine, Maroc, Canada … fa tsy honohonon’ny sekretera raikitra eo anivon’ny CONABEX samirery akory. “Tompon’andraikitra amin’ny soniany ny fanjakana aminay.

Nanana solontena tao anatin’ny vaomiera nisafidy ny mpianatra nalefa rahateo ny ministera mpiahy, ny ministeran’ny tetibola, ny fiadidiana ny praiminisitra ary ny fiadidiana ny FAT miampy ny CONABEX” araka ny fanazavana hatrany. Manodidina ny 600 eo ho eo ny mpianatra voakasik’ity raharaha ity izay tamin’ny volana aprily 2012 no nandray vatsim-pianarana farany. Misy aza efa herintaona katroka, hoy Rajomalahy Samuel izay manana zanaka manovo fianarana any ivelany koa. Noho izay volana maro tsy nandraisam-bola avy amin’ny fanjakana Malagasy izay dia misy amin’ireo mpianatra no bokan’ny trosa, ao ny marary ary efa nisy aza namono tena rehefa tsy nahazaka ny onjam-piainana mianjady aminy saingy avotra soa aman-tsara ihany. Marihina fa 650 euros (1.924.000Ar) isam-bolana isan’olona no anjara vatsim-pianaran’ny mpianatra mandranto fianarana any ivelany.

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT