Nampiantso mpanao gazety teny Tsimbazaza ny ray aman-drenin’ireo mpianatra Malagasy miisa 856 mandranto fianarana any ivelany nanazava ny zava-misy marina sy nanamafy indray ny antso nataon’izy ireo mba hijeren’ny fitondram-panjakana manokana an’ireo mpianatra ireo an-tany lavitra any.
Betsaka no marary ankehitriny amin’ireo zanakay ireo noho ny tsy fahampian-tsakafo, mihalangalana fotsiny anefa ny fanjakana Malagasy ary tara loatra ny fizarana ilay hoe vola roa volana homena. Mitana ny fanjakana ho tompon’andraikitra izahay ray aman-dreny raha misy maty amin’izy ireo, hoy ireo ray aman-dreny. Nanao antso amin’ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina mba hijery manokana ireo mpianatra ireo. Tsy eken’ireto ray aman-dreny ireto moa ny hisian’ny fandroahana amin’ny sasany amin’izy ireo izany ka hoe halefa hody aty Madagasikara. Mikasika ny resaka gaboraraka tamin’ny nandefasana ireo mpianatra ireo any ivelany any indray dia “tsy aferanay izany”, hoy izy ireo, fa ny vahaolana ho an’ny zanakay no mahamaika anay izao.
Raha ny fanapahan-kevitra nivoaka avy amin’ny filankevitry ny ministra natao teny Iavoloha omaly aloha dia tapaka fa mody izay mamerin-taona rehetra (redoublant sy triplant) ka izay te-hijanona any dia miato-tena. Amin’ny fandinihana ny antontan-taratasin’ireo hanohy ny fianarana any ivelany kosa dia homena tombon-dahiny ireo tena mahay. Vatsim-pianarana roa volana no baiko nomen’ny filohan’ny tetezamita haloa ho azy ireo.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.