Tsy mbola tonga an-tanindrazana ny nofo mangatsiakan-dRakotomalala Hery Harivelo Bruno, mpianatra Malagasy tany Wuhan Chine izay nodimandry ny talata 12 martsa teo.
Ankoatra ny fanadihadiana ataon’ny polisy sinoa dia mila ny antontan-taratasy fankatoavana avy amin’ny ray aman-dreniny vao afaka mikarakara ny razana sy ny fandefasana azy ny “Compagnie d’Assurance Chinoise”. Ity farany no miantoka ny lany mandrapahatonga ny razana aty Madagasikara. Raha ny taratasy nalefan’ny vondron’ny mpianatra Malagasy any Chine dia anisan’ny nitarika ny fahalasanan’itompokolahy ny tsy fandraisana andraikitry ny fanjakana Malagasy izay tsy nandefa vatsim-pianarana.
Torak’izany koa ny masoivoho Malagasy ao Beijing satria na dia niantso vonjy sy nitaraina in’efatra nisesy aza ny tenany dia tsy nisy valiny na famonjena na fanampiana mba nahafahany mitsabo tena. Vavolombelon’izany ny mpiray trano aminy, araka ny fanambarana navoakan’ny vondron’ny mpianatra ihany. Momba ireo akanga sisa nanamborana indray dia milaza izy ireo fa amin’ny 31 martsa izao no fe-potoana farany neken’ny oniversite ianarany avy hanefana ny hofan-trano sy ny saram-pianarana. Tsy nilaza izay mety hahazo azy moa ireo mpianatra raha tsy tanteraka io fifanarahana io fa azo heverina ny fandroahana. Sazin’ny fanjakana sinoa mandoa avo efatra heny ny fanalana ny “visa” koa ry zareo noho ny fahatarana ny fanefana izany ka raha tokony ho 400 Rmb dia tafakatra 1600 Rmb. Andrandrain’izy ireo fatratra noho izany ny fandefasana ny vatsim-pianarana 2 volana nampanantenaina tamin’ny 13 febroary 2013.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.