Actualités

Mpianatra Malagasy any Chine Nisy iray maty omaly


  • Alarobia 13 Martsa 2013

Tsy mbola nivaha mandraka ankehitriny ny olana ara-bola mahazo ireo mpianatra Malagasy mandrato fianarana any Chine.

 Fantatra anefa izao fa namoy ny aina omaly talata vao maraimbe tany amin’ny tanànan’i Whan ny iray tamin’izy ireo dia Rakotomalala Bruno na i Bob, araka ny fiantson’ireo namany azy. Tsy dia mbola tena voafaritra mazava tsara ny antony nahafaty azy fa raha ny tati-baovao azon’ireo ray aman-drenin’ireo mpianatra any Chine ireto nivory maimaika teny Tsimbazaza omaly, dia aretim-po miharo aretin’ny voa no nahafaty ity tovolahy ity. Ny mpianatra iray nifampizara trano taminy moa no fantatra fa nampita ny vaovao taty amin’ireto ray aman-drenin’ny mpianatra ireto. Marihina fa tamin’ny 2012 no maty ny rain’i Bruno ka nahazo aretim-po vokatr’izany ary tapaka lalandra mihitsy ny reniny taorian’izay.

Izay rehetra izay niaraka tamin’ny fitaintainana lava ny tsy fisiam-bola no azo inoana fa nampilofika an-datony ity tanora Malagasy iray ity. Omaly alina ihany moa dia efa nanainga avy any Chine hoentina aty an-tanindrazana ny nofo mangatsiakany. Nanapa-kevitra ny hilanja sorabaventy fanairana ny tompon’andraiki-panjakana ireo ray aman-drenin’ny mpianatra any Chine ireto eny am-pitsenana azy eny Ivato. Raha ny mikasika an’ilay hoe vatsim-pianarana roa volana tokony homena ireto mpianatra ireto, araka ny fampanantenana azo moa, dia nambaran’ny iray tamin’ireto ray aman-dreny ireto omaly, fa miandry ny fankatoavana sy sonia avy eny amin’ny Prezidansa ny fahazoan-dry zareo mikarakara ny antontan-taratasy fahazoana izany vola izany satria mihoatra ny 100 tapitrisa Ariary ny sora-bola ka tsy maintsy mandalo eny Ambohitsorohitra.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT