Actualités

Mpianatra ho zandary 121 km no natao dia an-tongotra


  • Alatsinainy 11 Jolay 2022

Halavirana 121km niainga teo amin’ny sekolin'ny zandarimariam-pirenena Ankorombe - Ambovombe Centre, distrikan'ny Manadriana,

sekolin'ny zandarimariam-pirenena Ankorombe no nataon'ireo mpianatra ho zandary dia an-tongotra, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Notarihin'ny kaomandin'ny sekoly, Jeneraly Ranaivonampoizina Harilaza, izany. Niaraka namarana izany dia an-tongotra lavitr'ezaka izany tamin'ireto mpianatra andiany faha 76 ireto ny lefitry ny kaomandy ny zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly Reribake Jeannot, izay niala tao amin’ny kaominina Ivato -Centre mandrapahatonga tao amin'ny sekoly. Tanjona miisa 3 no antony nanaovana izany dia ny fanamafisana eo amin'ny lafiny fanatanjahantena ho an'ireo mpianatra, fanamafisana ny fahaizan'ireo mpianatra mifanampy sy mifanohana ao anatin'ny asa, ahafahana manao tagnamaron'ny fandriampahalemana sy ireo antsoina hoe “action civilo- militaire” na fiaraha-miasan’ny sivily sy mpitandro filaminana, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT