Tsy misy indrafo : na mody na mianto-tena ireo mpianatra Malagasy any Chine ka misisika hijanona any na dia tsy mahafeno ny fepetra ara-pedagojika takiana aza.
Efa nanambara moa ny filankevitry ny minisitra tamin’ny herinandro lasa fa mody avokoa izay mamerin-taona in-droa na koa misy eto Madagasikara ny lalampiofanana arahany. Mihenjan-droa ny tady hatreto satria ireo mpianatra 272 any Chine ampian’ny ray aman-dreniny dia mitaky vahaolana hafa ankoatra ilay fampodiana, ny fanjakana amin’ny alalan’ny ministeran’ny fampianarana ambony kosa dia mitazona hatrany ilay fanapaha-kevitry ny filankevitry ny minisitra. Nilaza omaly ny Sekretera jeneralin’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa Horace Gatien fa tsy manam-bola handoavana ny saram-pisoratana anarana, ny hofatrano ary ny vatsimpianaran’ireo mpianatra ireo tsy voaloa tao anatin’ny 18 volana ny ministera.
“Resaka teknika no sahaninay fa ny fanjakana foibe no tompon-kevitra. Raha mahita tetibola handoavana ireo ny fanjakana dia arahaba soa arahaba tsara, raha tsy izany dia mody ireo mpianatra ireo”, araka ny fanazavany. Samy mizaka ny gaboraraka amin’ity resaka ity na ny mpianatra na ny fanjakana. Maro amin’ireo tanora ireo no very fotoana tany ivelany tany nefa sady afa-baraka amin’ny manodidina rehefa tafody eto satria tsy nahomby matoa nampodiana. Mibaby trosa mavesatra kosa ny fanjakana nefa betsaka ny sehatra ilana izany eto an-toerana indrindra amin’ny seha-panabeazana. Isam-bolana dia mila tsy ho voaloa ny karaman’ny mpiasan’ny oniversite sy ny vatsimpianaran’ny mpianatra. Tsy resahana intsony ny henatra ho an’ny fanjakana eo anatrehan’izao tontolo izao noho ny tsy fahavitany mikarakara ny tanora Malagasy.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.