Actualités

Mpianatra 17 taona voatazona am-ponja Nidina an-dalambe mitaky ny hamoahana azy ireo mpianatra namany sy ny ray aman-dreny


  • Alarobia 26 Martsa 2014

Manohitra ny didy savaranonando navoakan’ny fitsarana itazonana am-ponja tovolahy mpianatra iray, 17 taona, izay voampanga ho nametaveta zaza dimy taona ny faran’ny herinandro teo ny ray aman-dreniny.

 Nanao fitokonana teo anoloan’ny Lapan’ny tanàna ireo ray aman-dreny sy ny mpianatra ao amin’ny sekoly ianaran’io zazalahy io izay niafara tamin’ny fidinana an-dalambe ny talata maraina, nihazo ny lapan’ny Fitsarana hitaky ny famoahana io zazalahy io. Notsenain’ny mpitandro ny filaminana izy ireo.

Tany ambony taxibe hihazo an’Ambondrona no niandohan’ny tantara. Anisan’ireo mpandeha nahazo seza ka nipetraka ilay tovolahy mpianatra. Nisy mpandeha noraisina an-dalana, nitrotro zaza, ary niangavy azy mba hiampofo io zaza io. Tsy nanda ilay tovolahy. Gaga ny rehetra fotoana fohy taty aoriana, nahita azy nosamborina fa hoe nametaveta ilay zaza.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT