Efa nampoizina ! Raikitra indray ny grevy eny amin’ny anjerimanontolo nanomboka omaly. Ny mpianatry ny DEGS no nanomboka azy omaly tolakandro.
Nirohotra nihazo ny vavahady fidirana ny oniversite ny mpianatra taona voalohany, faharoa ary fahatelo avy amin’ny departementan’ny fitantanana sy ny lalàna ka nanakatona izany rehefa tezitra amin’ny fanapahan-kevitry ny FAT momba ny vatsim-pianarana. Fampitaovana sy vatsim-pianarana iray volana monja mantsy no nambara fa hozaraina araka ny petadrindrina hita eny an-toerana kanefa efa telo volana no niditra ny taom-pianarana vaovao. Ankoatra izay dia heno koa fa tsy averina intsony ilay vola 10.000 ariary nanaovana fisoratana anarana.
Nisy ny fitetezana efitrano fianarana nataon’ny Filohan’ny fikambanan’ny mpianatra ao amin’ny fakiolten’ny DEGS niaraka tamin’ny “Association Pédagogique” avy ao an-toerana nanazavana ny zava-misy. Tapaky ny besinimaro ny fanoherana ilay fanomezana vatsim-pianarana iray volana monja ka nahatonga azy ireo haneho ny hatezerany tamin’ny fanidiana ny vavahady izay naharitra adiny iray teo ho eo. Marihina fa efa nisy ity tranga ity vao namoaka ny lisitry ny mpahazo vatsim-pianarana koa ny departemanta tsirairay avy tao amin’ny DEGS ihany.
Vao mainka anefa nampirehitra ny hatezeran’ny mpianatra izany satria tsy anisan’ireo anaty lisitra ireo mpianatra ao amin’ny taona faha-4 mamita ny boky. Nanatevin-daharana ny fitokonana izy ireo, araka izany, ary tsy hanaiky manoloana ny fanavahana azy. Tsy mijanona hatreo anefa ny fitakiana eny an-toerana. Misy akony amin’ny fianarana koa ny fahatapahan’ny herinaratra eny Ankatso satria ankoatra ny efitrano fiasan’ny mpiasa dia samy tsy mandeha koa ny jiro amin’ny Grand Amphi, Amphi B ka foana ny fampianarana. Azo antoka fa hafana kokoa ny fitokonana amin’ity anio ity satria hanidy ny vavahady fidirana indray ny mpianatra manomboka amin’ny sivy ora sy sasany ka hanampy isa azy ireo ny fakiolten’ny fianarana ho mpitsabo sy ny haisoratra.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.