Actualités

Mpiala sasatra miazo an’i Mahajanga Misy hivarotra fotsiny no anton-dian’ny sasany


  • Zoma 26 Aogositra 2022

Samy manana ny fitadiavam-bolany tokoa ny olona tsirairay avy. Ny fiainana rahateo efa tena sarotra. Misy amin’ireo mpiala sasatra miazo an’i Mahajanga araka izany no hivarotra fotsiny no tena anton-diany.

Etsy Ambondromamy, lalam-pirenena fahaefatra dia efa manomboka izany. Mitondra fiara lehibe mihitsy ny sasany ary mahandro vary sy laoka ary tsaky eo amin’ny sisiny. Amin’ny ankapobeny mantsy dia eo avokoa no mijanona ny ankamaroan’ireo fiara hiazo an’i Mahajanga sy Antsiranana. Mivarotra vary masaka sy laoka, compose sy lasopy izy ireo mandritra izany raha miainga indray ny tsaky toy ny tono masikita sy lasary raha vantany vao harivariva ny andro dia toy izany hatrany. Misy tena mahazo volabe tokoa ireo mpiala sasatra ireo raha araka ny vaovao azo. Mahafaty an’aliny isan’andro mantsy izy ireo ka sady miova rivotra kely izay toy ny miala sasatra ihany no mahazo vola. Toraka izany koa ny ao an-tampon-tananan’i Mahajanga. Marobe ireo olona avy eto an-drenivohitra tonga mivarotra any an-toerana amin’izao. Ankoatra ireo kojakojan-tokantrano dia tsy vitsy ireo mitondra ireny karazan’akanjo fitondra amin’ny andro mafana ireny….Am-polony isan’andro moa ireo taxi brousse mivoaka miala etsy amin’ny tobim-piantsonana Maki Andohatapenaka miazo an’i Mahajanga amin’izao.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT