Hotontosaina ny alatsinainy 18 jolay ho avy izao, haharitra hefarana ny fanadinam-panjakana BEPC taom-pianarana 2015-2016 manerana ny faritra 22.
Zazavavy kely folo taona no zandriny indrindra hiatrika izany ho an’ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo Renivohitra ary 51 taona no zokiny indrindra izay marihina fa mbola vehivavy ihany koa. Mitotaly 27.066 ny isan’ny mpiadina hiatrika izany ho an’ity fari-piadidiam-pampianarana iray ity raha miisa 27.082 tamin’ny taon-dasa izay tsy nahitana fiovana firy. Ny 13.985 amin’ireo dia vehivavy avokoa raha lehilahy kosa ny 13.081 ambiny. Hiparitaka amina foibem-panadinana miisa 31 izy ireo, hisandrahaka amina efitranom-panadinana 663 isa raha miisa fito kosa ny foibe hanatanterahana ny fitsarana. Rahampitso alakamisy raha araka ny fanazavan-dRakotozafy Ramasy Harisoa, lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra no handeha haka ny laza adina any amin’ny CNAPMAD izy ireo ary hanatitra izany eny anivon’ireo Boriborintany tsirairay misy ny mpitandro ny filaminana. Fanambin’ny CISCO Antananarivo Renivohitra hatrany moa ny hamoahana ny voka-panadinana faran’izay haingana ao anatin’ny fahamailoana sy ny fametrahana paikady efa maty paika. Hitovy tsy misy valaka tamin’ny fomba fiasa tamin’ny famoahana ny voka-panadinana CEPE farany teo izany na dia efa nisy aza ny fepetra napetraka fa tsy azo tsaraina ny laza adina raha tsy vita avokoa ny fiatrehan’ny mpiadina ny fanadinana rehetra. Herinandro aorian’ny hiatrehan’ny mpiadina ny fanadinana no fe-potoana omen’izy ireo hanomezana fahafaham-po ny ray aman-dreny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.