Actualités

Mpanohana ny fehinkevitry ny FFKM Hamaky ny kianjan’Ambohijatovo


  • Alatsinainy 22 Jolay 2013

Miha manatona ny afovoan-tanŕna hatrany ny hetsika tontosain’ireo mpanao fihetsiketsehana mitaky ny fanatontosana ny fampihavanana araka ny fehinkevitra tapaka nandritra ny fikaonandohan’ny FFKM.

Raha teny Andohatapenaka no nanaovan-dry Andriamiseza Alain sy Rasambozafy Cyril fanehoan-kevitra imasom-bahoaka tamin’ny sabotsy 13 jolay dia tetsy Andrefanambohijanahary indray tamin’ny sabotsy farany teo. Mikasa ny haka ny kianjan’Ambohijatovo indray ry zareo amin’io sabotsy ho avy io. Hetsika lehibe ho an’ny fampihavanana no kasaina hatao amin’io ka anentanany ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka. Amin’ireo mpitarika ity hetsika ity dia ny Ffkm ihany no itokiany amin’ny fanelanelanana fa tsy mahavaha olana kosa ny tondrozotra sy ireo mpanelanelana vahiny. Araka ny heviny dia ilaina ny fampihavanana ireo filoha telo sy ny filohan’ny FAT ka asakasak’izay malalay  fonosana eo, hoy izy. Itarina amin’ny mpanao politika rehetra izay vonona izany avy eo. Aminy koa dia faranana izao FAT izay soloina Tetezamita vaovao mba hikarakara fifidianana lalàmpanorenana.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT