Mpanohana an’i Dada

> Mbola tena matanjaka ao Antsirabe


  • Sabotsy 05 Oktobra 2013


Nampiaiky ny mponin’Antsirabe ny diabe nataon’ny mpomba ny kandidà Dr Robinson Jean Louis ny omaly zoma 04 oktobra. Vahoaka marobe no nanoina ny antson’ny mpitarika avy amin’ny Antoko Avana sy ny ankolafy Ravalomanana. Fiara sy posiposy ary bisikileta maro ankoatra ny nandeha an-tongotra nitety an’Antsirabe. Lava dia lava ny laharana ka nilazan’ny olona fa mbola tena matanjaka ny mpomba an’i Dada izay fototry ny fahatongavan’ny olona marobe. Anisan’ny nampiavaka ny mpomba ny filoha Ravalomanana moa ny fitiavana tsy sandaina zavatra, satria tsy mba nisy t-shirt na vola nanambazana ireo mpilahatra rehetra kanefa dia tamin’ny 3 tolakandro vao nisaraka izany. Antenaina araka izany fa hitorajofo ny kianjan’ny Piste Vatofotsy anio tolakandro amin’ny fandraisana ny kandidà Dr Robinson.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT