Actualités

Mpankafy reggae mamon-drongony Namono tena fa te halaza


  • Alakamisy 12 Mey 2016

Maro amin’ireo mpankafy gadona reggae eto amintsika no mankalaza isan-taona ny andron’ny 11 mey, ary misy foana ny hetsika samihafa hanamarihana izany isan-taona.

35 taona lasa omaly no nodimandry ilay mpihira malaza Jamaikanina, mpanjakan’ny Reggae Bob Marley. Tany Toliara, omaly antoandro, tao amin’ny fokontany Ampasikibo, dia tranga nahatsikaiky no niseho. Tovolahy iray 24 taona mpiondana reggae no namono tena nisotro ranon-javatra fotsy ohatry ny ronono, izay voalaza fa Nuvan raha ny fanamarinam-baovao natao. Nihoaka nandoa, avy eo nalemilemy ranamana, ka raha tsy voavonjy haingana dia mety nanaraka hatramin’ny ainy mihitsy. Talohan’izy namono tena, araka ny vaovao voaray, dia efa nirediredy sy nihogahoga eraky ny tanàna, fa te ho faty androany 11 mey (ny omaly io) mba te-halaza mitovy amin’ny Bob Marley. Tsy novakian’ny manodidina loha ny vetsovetson’ity bandy mamon-drongony ity, kanefa dia notanterahiny tokoa ny fikasany, ka teo vao samy talanjona ny rehetra nandre.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT