Tombontsoa lehibe ho an’ireo mpanjifa laharana Telma misoratra ara-dalàna ny fisitrahana ireo tolotra samihafa haroson’ity orinasam-pifandraisan-davitra ity.
Azon’izy ireo atao tsara ohatra manomboka izao ny manova ny karatra SIM ho lasa SIM 4G. Mety hisitraka finday iray amin’ireo 8 zaraina isam-bolana ihany koa ny mpanjifa rehetra. Loka lehibe miandry ny tsara vintana mandritra ny antsapaka lehibe tontosaina amin’ny faran’ny taona kosa ny fiarakodia vaovao.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.