Actualités

Mpanjaka Rabehava sy ny Foko Rabehava 18 toko Mitaky ny hamoahana ny anaran’ireo namono ny mpitsara Rahevana Michel


  • Talata 22 Mey 2012

Nivoaka amin’ny fahanginany ny fianakavian’itompokolahy Rehavana Michel, ilay mpitsara novonoin’ny polisy tao Toliara ny 9 desambra 2011 teo.

 Nisy ny fivoriana notontosain’ny foko Rabehava 18 toko notarihan’ny Mpanjaka Rabehava tao Ampahatelo Vangaindrano ny 12 mey teo izay namoahan’izy ireo izao fanambarana izao : “Lasa afon-jozoro ny raharaha nandatsahana aina ny zanakay ka mampahafantatra izahay taranaka Antesaka fa takianay ny hamoahana tsy misy hatakandro ny anaran’ireo nampamono ny zanakay. Ny tsy fahatanterahan’izany dia midika tsy fandraisana andraikitry ny fitondrana”. Nanao sonia ity fanambarana ity ny Mpanjaka Rabehava Tofeno Henri. Nasian’izy ireo resaka koa ny fandraisana an-tanana haingana nataon’ny fanjakana ny raharaha namonoana ireo teratany frantsay mpivady tao Toliara ihany kanefa efa dimy volana lasa ny momba ny havany toa tsy misy resaka intsony. Nampitandrina i Ramanana Mampody, rahalahin’itompokolahy fa manampikasana hiakatra aty an-drenivohitra mihitsy ny fianakaviana tarihin’ny Mpanjaka raha tsy misy fandraisana andraikitra ao anatin’ny fotoana fohy.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT