Actualités

Mpanisa mpifidy Mandray 300 Ariary isaky ny mpifidy miampy ‘’prime’’ raha ...


  • Zoma 18 Novambra 2022

Nanomboka tamin’ity herinandro ity ny fanomezana ny karaman’ireo mpanisa mpifidy manerana ny Nosy ho an’ireo asa vita hatramin'ny 1 oktobra lasa teo.

Efa nisitraka izany ireo mpanisa mpifidy teto Antananarivo Renivohitra, hoy ny avy amin'ny CENI. Hitohy amin’ny herinandro ho avy ny fizarana karama eny anivon’ny Vaomiera misahana ny fifidianana isaky ny Distrika na ny CED. Voalaza koa fa efa voatsinjara eny amin’ny rantsamangaikan’ny Tahirimbolam-panjakana isaky ny Distrika ny karaman’ireo mpanisa mpifidy mandritra ny telo volana (oktobra, novambra, desambra), fe-potoana hanatanterahana ny asa fanisana isan-tokantrano. Arakaraky ny isan’ny mpifidy voaisan’ny mpanisa iray, izay voamarina fa tsy misy fahadisoana, no anaovana ny kajin’ny vola raisiny. 300 Ariary isaky ny mpifidy raha tsiahivina no omena ireo mpanisa, ary hisy ny ‘’prime’’ ho an’ireo nahatratra ny tanjona napetraka taminy, araka ny nambaran’ny Filohan’ny CENI, Dama Arsène.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT