Actualités

Mpaninjara solika Hanidy trano avokoa


  • Talata 12 Aprily 2011

Omaly tolakandro no nifamory teny amin’ny Motel Anosy ireo mpitantana ny toby famatsiana solika rehetra.

Tapaka tamin’izany fa rehefa miziriziry amin’ny heviny tsy hampidina ny saran’ny hetra alainy amin’ny solika ny Fahefana avon’ny tetezamita (FAT) mba hitazonana izao vidin-tsolika izao dia haneho ny firasainkinany izy ireo amin’ny alarobia izao. Tsy hisy, araka izany, ny toby fivarotan-tsolika hisokatra hivarotra amin’io fotoana io raha tsy misy ny fandraisana andraikitra haingana ataon’ny FAT. Marihina fa efa ela no nifampiriorio tamin’ny heviny ny fanjakana sy ny vondron’ireo orinasa mpanafatra solika mikasika ny vidin-tsolika. Any ivelany mantsy amin’izao fotoana izao dia efa mihoatra ny 120 dolara ny barila iray.

Ny vidin-tsolika eto amintsika anefa amin’izao fotoana izao dia mbola ny vidiny tamin’ny latsaky ny 100 dolara. Manery ny FAT fa tsy azo akarina ny vidin-tsolika nefa ny hetra tangosany tsy mihetsika. Ny mpanafatra solika ihany koa tsy te hahalala fa ny tombony omen’izy ireo ireo mpitantana ny toby mpaninjara solika no ampidinin’izy ireo. Ny minisitry ny harena ankibon’ny tany sy ny solika dia nilaza fa mety hozaraina ny vidin-tsolika ho an’ny mpitatitra sy ny besinimaro. Fihetsika mifanohitra amin’ny zava-misy anefa izany satria tranga tsy mbola nisy teto an-tany mihitsy. Etsy andaniny ny minisitry ny solika dia miantso ny rehetra hifampidinika anio. Araka ny tsiliantsofina dia hanao «réquisition» ny FAT raha toa ka miroso amin’izay tsy fivarotana izay ireo mpaninjara solika amin’ny alarobia.

 
Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT